Rehefa afaka tamin’ny fanandevozana tany Egypta ny Israelita, rehefa niditra ny tany Kanana nampanantenaina, rehefa niverina tamin’Andriamanitra i Josia Mpanjaka sy i Hezekia Mpanjaka, izay nanompo sampy, ary na dia nafahana tamin’ny fahababoana aza ny Israelita, dia ny Paska no ivon’izany.
Toy ny tamin’izany fotoana izany ihany, dia mivelatra amin’ny alalan’ny Paska ankehitriny ny asam-pamonjena nataon’Andriamanitra.
Roa arivo taona lasa izay, dia nofoanana tamin’ny taona 325 am.f.i. noho ny firaisana tsikombakomba teo amin’ny fivavahana sy ny politika ny Paska, izay nirin’i Jesosy tamin’ny mpianany fatratra hotandremana, ka nanjavona tao amin’ny haizina; kanefa, araka ny faminaniana, dia tonga i Kristy Ahnsahnghong ary nanomboka ny asa famonjena tamin’ny alalan’ny Paska.
Ary hoy Izy taminy: Naniry koa raha naniry Aho hiara-mihinana ity Paska ity aminareo, dieny mbola tsy mijaly Aho.
Lioka 22:15
Ary tamin'ny voalohan'ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira dia nankeo amin'i Jesosy ny mpianatra ka nanao hoe: Aiza no tianao hamboarinay hihinananao ny Paska?
Ary hoy Izy: Mankanesa any an-tanàna ho any amin-dralehilahy, ka lazao aminy hoe: Hoy ny Mpampianatra: Efa akaiky ny fotoanako; koa ato aminao Aho sy ny mpianatro no hitandrina ny Paska.
Matio 26:17–18
119 Bundang P.O.Box, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of KOREA
Tel 031-738-5999 Fax 031-738-5998
Head Office: 50, Sunae-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
Main Church: 35, Pangyoyeok-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
ⓒ World Mission Society Church of God. All rights reserved. Privacy Policy