Ny olona rehetra teraka teto an-tany, tahaka an'i Solomona sy Joba, dia anjely niaina tao amin'ny fanjakan'ny lanitra taloha. Ampianarina antsika fa feno asa mafy sy alahelo ny fiainana eto an-tany satria io no toerana nandroahana ireo anjely, izay niara-niaina tamin'Andriamanitra tamim-boninahitra tany an-danitra, rehefa avy nanao fahotana lehibe izay mitarika ho amin'ny fahafatesana.
Ankehitriny, Ilay namerina ny Paska ny fanekena vaovao izay very dia tsy iza fa Andriamanitsika. Izany dia satria ny Paska ny fanekena vaovao dia ilay fanekena naorin'i Jesosy tamin'ny alalan'ny sorona nataony teo amin'ny hazofijaliana, mba hahafahan'ny olombelona rehetra mahazo famelan-keloka amin'ny fahotana izay mitarika ho amin'ny fahafatesana—ireo fahotana nataony tany an-danitra—ary hiverina any amin'ny fanjakan'ny lanitra.
Izy no ananantsika fanavotana amin'ny rany, dia ny famelana ny fahadisoantsika, araka ny harenan'ny fahasoavany, . . . Efesiana 1:7
Fa fahafatesana no tambin'ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika. Romana 6:23
119 Bundang P.O.Box, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of KOREA
Tel 031-738-5999 Fax 031-738-5998
Head Office: 50, Sunae-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
Main Church: 35, Pangyoyeok-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
ⓒ World Mission Society Church of God. All rights reserved. Privacy Policy