Rehefa tonga tamin’ny nofo Jesosy, ilay Andriamanitra Tsitoha, mba hamonjy ny olombelona, dia maro ny olona nanamavo Azy.
Kanefa, nisy ireo izay nanome voninahitra Azy toa an’ilay vehivavy nandrotsaka menaka manitra teo amin’ny lohan’i Jesosy, ilay kapiteny, ilay vehivavy nandeha ra, ary i Zakaiosy.
Ny Olo-masina tao amin’ny Fiangonana voalohany dia nandray an’i Jesosy tamin’ny finoana toy izany, ary ho setrin’izany, dia nahazo fanomezana ny Fanahy Masin’ny fahasoavana.
Ny mpikamban’ny Fiangonan’Andriamanitra dia mino fa Kristy Ahnsahnghong sy Andriamanitra Reny no Mpamonjy izay tonga araka ny faminaniana hoe: “Ho avy Andriamanitra tahaka ny Fanahy sy ny Ampakarina amin’ny vanim-potoan’ny Fanahy Masina”, ary hanaja Azy.
Nomen’Andriamanitra azy ireo ny Fanahy Masin’ny fara orana, lehibe noho ny an’ny Fiangonana voalohany, izay mitarika amin’ny asa mahagaga ataon’ny olona manaja an’Andriamanitra maneran-tany.
119 Bundang P.O.Box, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of KOREA
Tel 031-738-5999 Fax 031-738-5998
Head Office: 50, Sunae-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
Main Church: 35, Pangyoyeok-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
ⓒ World Mission Society Church of God. All rights reserved. Privacy Policy