Ny Baiboly dia manambara an’Andriamanitra Ray sy Andriamanitra Reny amin’ny alalan’i Adama sy Eva.
Tahaka ny niantsoana an’i Eva hoe “renin’ny olombelona rehetra”, dia nanome aina ara-nofo ho an’ny olombelona izy, ary Andriamanitra Reny dia tonga teto an-tany mba hanome fiainana mandrakizay ho an’ny olombelona.
Andriamanitra nanao hoe: Andeha Isika hamorona olona tahaka . . . ary namorona lahy sy vavy, ary nampiasa ny anarana ploraly hoe “Elohim” [Andriamanitra maro] im-2,500 mahery ao amin’ny Baiboly.
Ambonin’izany, dia nijoro ho vavolombelona Izy fa misy Andriamanitra Reny, izay manome ny fiainana mandrakizay ho an’ny olombelona amin’ny alalan’ny famoronany ny zavatra rehetra mba hahazoana fiainana amin’ny alalan’ny reny ihany.
Ary Andriamanitra nanao hoe: Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, . . .
Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik'Andriamanitra no namoronany azy; lahy sy vavy no namoronany azy.
Genesisy 1:26–27
Ary ralehilahy nanao ny anaran'ny vadiny hoe Eva, satria izy no renin'ny olombelona rehetra.
Genesisy 3:20
119 Bundang P.O.Box, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of KOREA
Tel 031-738-5999 Fax 031-738-5998
Head Office: 50, Sunae-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
Main Church: 35, Pangyoyeok-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
ⓒ World Mission Society Church of God. All rights reserved. Privacy Policy