Tamin'ny andron'i Sodoma sy Gomora, niatrika loza ireo vinantolahin'i Lota satria noheveriny ho vazivazy ny fampitandremana. Ilay mpaminany izay tsy niraharaha ny fampitandreman'Andriamanitra dia novonoin'ny liona teny an-dalana tamin'ny fomba mahatsiravina. Tamin'ny andron'i Mosesy, ny lahimatoan'ny tokantrano Egyptiana rehetra izay tsy nitandrina ny Paska dia maty. Amin'ny alalan'ireo tantara ireo dia mianatra isika fa tsy maintsy mihaino ny hafatry ny fampitandreman'Andriamanitra izay nomena antsika amin'izao vanim-potoana izao.
Nilaza i Kristy Ahnsahnghong fa ny fitandremana ny didin'Andriamanitra no fitiavana an'Andriamanitra. Nampianariny antsika koa fa, tahaka ny tamin'ny andron'ny Eksodosy, amin'ny fitandremana ny didin'ny Paska ihany no ahafahantsika mahazo ny famantarana ny fanafahana amin'ny loza ary ho eo ambany fiarovan'Andriamanitra eo anivon'ireo loza farany nambara mialoha.
119 Bundang P.O.Box, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of KOREA
Tel 031-738-5999 Fax 031-738-5998
Head Office: 50, Sunae-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
Main Church: 35, Pangyoyeok-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
ⓒ World Mission Society Church of God. All rights reserved. Privacy Policy