Nilaza i Solomona Mpanjaka fa tokony hataon’ny olona rehetra ny fahatahorana an’Andriamanitra, ary nilaza i Jesosy fa ny didy lehibe dia ny ho tia an’Andriamanitra amin’ny fontsika sy ny saintsika rehetra.
Nanorina ny lalàn’ny fanekena vaovao Izy, ka nilaza fa ny fitiavana no fahatanterahana ny lalàna.
Nohomboana teo amin’ny hazofijaliana Andriamanitra noho ny fitiavany ny olombelona.
Ny biby rehetra izay natao sorona araka ny lalàn’ny Testamenta Taloha dia maneho an’Andriamanitra, amin’ny farany dia mijoro ho vavolombelona ny amin’ny fomba hanorenan’i Kristy Ahnsahnghong sy ny Renintsika Ara-lanitra, izay tonga amin’ny vanim-potoan’ny Fanahy Masina, ny fanekena vaovao, anisan’izany ny andro Sabata sy ny Paska, ho famonjena ny olombelona.
Ary rehefa re izany rehetra izany, dia izao no faran'ny teny: Andriamanitra no atahory, ary ny didiny no tandremo, fa izany no tokony hataon'ny olona rehetra.
Mpitoriteny 12:13
Anaka, maneke ny ray sy ny reninareo ao amin'ny Tompo, fa marina izany.
"Manajà ny ray sy ny reninao" (fa izany no didy voalohany misy teny fikasana),
"mba hahita soa ianao sy ho maro andro ambonin'ny tany".
Efesiana 6:1–3
119 Bundang P.O.Box, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of KOREA
Tel 031-738-5999 Fax 031-738-5998
Head Office: 50, Sunae-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
Main Church: 35, Pangyoyeok-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
ⓒ World Mission Society Church of God. All rights reserved. Privacy Policy