Miaina any an-dranomasina ny trondro salmon ary avy eo miverina any amin'ny toerana nahaterahany mba hanatody. Amin'izany dingana izany, tahaka ny fiaretan'ny trondro salmon fanaintainana amin'ny fampiasana ny angovo voatahiry ao aminy nefa tsy mihinana, dia tsy maintsy mandresy ny fanaintainan'ny fahaterahana indray koa isika amin'ny fanariana ireo fahazaran-dratsy sy fitondran-tena ratsy rehetra nianarantsika teto amin'izao tontolo izao ary miezaka miverina any amin'ny fonenantsika mandrakizay ara-lanitra izay itoeran'ny Ray sy ny Reny.
Amin'izao fotoana izao, rehefa manidina ho eo an-tsandrin'i Jerosalema Reny Ara-lanitra ny firenena rehetra araka ny faminanian'ny Baiboly, dia mampihatra hatrany ny “Tenin'ny Fitiavan’i Reny” araka ny fampianarany ny mpikambana ao amin'ny Fiangonan'Andriamanitra, ka maneho ny voninahitr'i Jerosalema Reny Ara-lanitra amin'izao tontolo izao amin'ny alalan'ny asa soa ataon'izy ireo.
Ary aza manaraka ny fanaon'izao tontolo izao; fa miovà amin'ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon'Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahina no marina. Romana 12:2
Mitsagàna, mihazavà, fa tonga ny fahazavanao, Ary ny voninahitr'i Jehovah efa miposaka aminao. Fa, indro, ny haizina manarona ny tany, Ary ny haizim-pito manarona ny firenena; Fa aminao kosa no iposahan'i Jehovah, ary aminao no isehoan'ny voninahiny. Ary ny firenena manatona ny fahazavanao, Ary ny mpanjaka mankeo amin'ny famirapiratan'ny fiposahanao. Isaia 60:1–3
119 Bundang P.O.Box, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of KOREA
Tel 031-738-5999 Fax 031-738-5998
Head Office: 50, Sunae-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
Main Church: 35, Pangyoyeok-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
ⓒ World Mission Society Church of God. All rights reserved. Privacy Policy