Ireo mpaminany izay nanoratra ny Baiboly dia niaina tamin’ny vanim-potoana samy hafa ary nanana asa samihafa sy toetra samihafa, kanefa nahazo tsindrimandry avy amin’ny Fanahy Masin’Andriamanitra, dia namela faminaniana tsy tapaka izy ireo, izay nanazava antsika mikasika ny “nahoana no nahatongavan’ny olombelona teto amin’ity tany ity sy izay halehantsika.”
Koa satria marina ny Baiboly, dia tsy maintsy mino ny faminaniana momba an’i Kristy Ahnsahnghong sy Andriamanitra Reny isika.
Ny bokin’i Isaia dia naminany ny amin’ny fijalian’i Jesosy 700 taona talohan’ny fiaviany, ary ny bokin’i Joba dia mirakitra an-tsoratra ny tsingerin’ny rano sy ny hoe mihantona eny amin’ny habakabaka ny tany, 3 500 taona lasa izay, ireo zava-misy izay vao hitan’ny siansa tamin’ny taonjato faha-17.
Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana,
mba ho tanteraka ny olon'Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin'ny asa tsara rehetra.
2 Timoty 3:16–17
Mamelatra ny lanitra avaratra ho eny ambonin'ny habakabaka Izy Ary manantona ny tany amin'ny tsy misy.
Joba 26:7
119 Bundang P.O.Box, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of KOREA
Tel 031-738-5999 Fax 031-738-5998
Head Office: 50, Sunae-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
Main Church: 35, Pangyoyeok-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
ⓒ World Mission Society Church of God. All rights reserved. Privacy Policy