Namitaka ny vahoakan’Andriamanitra i Satana mba handroaka azy ireo hiala any an-danitra ho eto an-tany ary manohy mamitaka azy ireo mba tsy hahafahan’izy ireo miverina any amin’ny fanjakan’ny lanitra na oviana na oviana.
Noho izany dia nofoanana ny Sabata sy ny Paska mba hisakanana ny vahoakan’Andriamanitra tsy hanompo Azy, ary nampiditra ny fomban’ny andriamanitra masoandro toy ny fanompoam-pivavahana alahady sy ny Krismasy tao amin’ny tempolin’Andriamanitra.
Nandresy mpaminany sandoka 850 i Elia tamin’ny alalan’ny fanompoam-pivavahana natolotra ho an’Andriamanitra, ary nandresy an’i Satana i Jesosy tamin’ny teny hoe: “Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao”. Tamin’ny andron’ny Fanahy Masina, Kristy Ahnsahnghong sy Andriamanitra Reny dia nampianatra antsika fa amin’ny fanarahana ny fanekena vaovao dia afaka manompo an’Andriamanitra irery ihany isika mba hahazo ny famelan-keloka sy hiverina any amin’ny fanjakan’ny lanitra mandrakizay.
Aza manao araka ny fanaon'ny tany Egypta, izay nonenanareo; ary aza manao araka ny fanaon'ny tany Kanana, izay ampidirako anareo, ary aza manaraka ny fombany. Ny fitsipiko no harahinareo, ary ny didiko no hotandremanareo, hanarahanareo azy: . . . fa raha mahatandrina izany ny olona, dia ho velona amin'izany izy: Izaho no Jehovah. Levitikosy 18:3–5
119 Bundang P.O.Box, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of KOREA
Tel 031-738-5999 Fax 031-738-5998
Head Office: 50, Sunae-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
Main Church: 35, Pangyoyeok-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
ⓒ World Mission Society Church of God. All rights reserved. Privacy Policy